Psalms 129

Ny hiafaran’ ny mpandrafy an’ i Ziona

Fihirana fiakarana
Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga.
.

1

Mafy no nampahoriany ahy hatry ny fony aho mbola tanora, Eny, aoka hataon’ ny Isiraely hoe:
2Mafy no nampahoriany ahy hatry ny fony aho mbola tanora; Nefa tsy naharesy ahy izy. 3Ny mpiasa dia niasa ny lamosiko; Efa nanalava ny vavasany izy. 4Marina Jehovah: Efa nanapaka ny famatorana nataon’ ny ratsy fanahy Izy. 5Aoka ho menatra sy hiamboho Izay rehetra mandrafy an’ i Ziona 6Ka ho tahaka ny ahitra eo an-tampon-trano. Izay malazo, na dia tsy misy manongotra azy aza; 7Tsy misy mpijinja mameno tanana Na mpamehy amboara mameno tratra amin’ izany; 8Ka dia tsy hisy mpandalo hanao hoe: Hotahin’ i Jehovah anie ianareo; Eny, ny anaran’ i Jehovah no itsofanay rano anareo.
Copyright information for Mg1865